Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra Protestanta eto Frantsa,

Ho ampitomboina mandrakariva aminareo anie ny Fahasoavana avy amin’I Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana,

« mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. » Jaona 17.21.

Noho ny maha iray anstika eto amin’ny Tompo sy noho ny efa vavak’i Jesoa Tompo mba ho iray ihany izy rehetra. Rehefa nandinika ny tompon’andraikitra telo, avy amin’ireto Fiangonana ireto sy mano sonia ery ambany :

-           Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM),

-           Fiangonana. Loterana Malagasy (FLM),

-           Fiangonana Protestanta Malagasy aty An-dafy (FPMA),

dia mety ny manao fanompoam-pivavahana iraisana ho fanehoantsiaka ny fahavonona hiara-hiasa sy mijoro vavolombelon’ ny filazantsaran’i Kristy. Koadia noho izany dia manasa antsika vahoakan’Andriamanitra tsy an-kavanavaka hanatrika ny fotoam- pivavahana iombonana izay atao ny :

Zoma 19 Jona Amin’ny 19h30

Eglise de la Rédemption 16 Rue Chauchat, Paris IX

Métro 8, 9 Richelieu Drouot - Métro 7 Le Pelletier

 

Dia mangataka antsika hitondra ambavaka mba ho tanteraka izany fotoam-pivavahana izany ary maniry ny fahatongavan’ny rehatra ny amin’izany.

Hitantsika mipaingotra amin’izao mailkaka izao ny fanasana avy amin’ireo Raiamandreny am-panahy ny  FJKM, FLM ary FPMA.

Manonona ny Fiadanan’ny Tompo amintsika

Ny Birao Foibe FPMA