Faha 01 Aprily 2026
Ho an’ny Filoha Synodaly, Rev Dr Seth RASOLONDRAIBE
Ho an'ny Birao Foibe,
Ho an’ny Mpitandrina FPMA
Ho an’ny Filohan’ny Faritany FPMA
Ho an’ny Filohan’ny Tafo ary Fiaraha-mivavaka FPMA
Ho an'ny Sampana Iraisana FPMA
Ho an'ny SVK sy SLK FPMA
Ho an'ny vahoakan'Andriamanitra FPMA rehetra
Antony: Fampahalalana ZAIKABE SVKI-SLKI 2026
Ampitomboina aminareo lalandava anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana.
Am-pifaliana no hanolorana ny fiarahabana ao amin’ny Fifalian’ny Tompo ary hanentanana mba hamandrika sahady ao amin’ny diary ity hetsika lehibe manaraka ity.
Zaikabe hiarahan’ny Sampana Iraisana Vehivavy sy Lehilahy Kristiana
17 - 18 Oktobra 2026
DIJON
Hampitaina amin’ny manaraka amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga ny fisoratana anarana sy ny andinidininy hafa rehetra.
Amin’ny anaran’ny Birao
Lalao ANDRIANJATOVO Augustin ANDRIANJAFITSALAMA Filoha SVKI Filoha SLKI Hoby RANDRIANARISON Solo ANDRIANOMENJANAHARY Mpitandrina Mpiahy SVKI Mpitandrina Mpiahy SLKI

