Antony: Fotoam-pivavahana FFKM-Frantsa  nahemotra zoma 10 Aprily  19H15

Ho an’ny Fiangonana Kristianina Malgasy  miray amin’ny FFKM-Frantsa

Ry Kristianina  havana,

Hampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny fampiraisana avy amin’ny Fanahy Masina.

 

Araka ny fanasana izay efa nalefa tamintsika mikasika ny fanompoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny firenena sy indrindra koa ireo Traboina hokarakarain’ny FFKM-Frantsa, dia  nohon’ny antony teo amin’ny fahazoana tranom-piangonana dia hotantanterahina ny

 

Zoma 10 Aprily
amin’ny 7 ora hariva (19H15)
ao Eglise de la Rédemption
16, Rue Chauchat 75009
Paris Métro: Richelieu Drouot ( M9) na Le Peletier ( M7)

 

Maneho fialantsiny indrindra amintsika amin’ny fioavan’ny daty.

 

Mipaingotra amin’izao mailaka izao ny fanasana izay hangatahina am-pîtiavana antsika mba ho vakina sy hanentanana ny Kristianina malagasy  any amin’ny fiangonana misy antsika  isaky ny alahady mandra-pahatongan’ny zoma 10 Aprily.

 

Ho antsika Kristianina  malagasy manerana ny Frantsa koa izay tsy afaka miakatra aty  Paris , dia toy ny fanao hatrany dia afaka manantanteraka hetsika Iraisana amin’ny fandaminana mahamety azy , ka ny rakitra voavory rehetra dia halefan’ny komitin’ny FFKM-Frantsa mitambatra any amin’ireoi Traboina.

 

Manao fisaorana feno sahady antsika Kristianina   amin’ny fientanantsika.

Mametra-beloma sy mirary soa, ary manonona ny Fiadanan’i Jesoa Kristy ho amintsika rehetra.

Ny Raiamandreny am-panahy sy ny komitin'ny FFKM-FRANTSA